John 6

1Taorian’ireo zavatra ireo, dia lasa niampita ny ranomasin’i Galilia Jesosy, antsoina ihany koa hoe ranomasin’i Tiberiasy. 2Nisy vahoaka maro nanaraka Azy satria hitan’izy ireo ny famantarana izay nataony tamin’ireo narary. 3Niakatra an-tendrimbohitra Jesosy ary nipetraka teny niaraka tamin’ireo mpianany Izy.

4(Ary ny Paska, ilay andro firavoravoan’ny Jiosy, dia efa akaiky.) 5Rehefa nijery ambony Jesosy ka nahita vahoaka maro be nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’i Filipo hoe: “Aiza no hividianantsika mofo mba hafahan’izy ireo mihinana?” 6( Fa Jesosy niteny izany mba hitsapana an’i Filipo, fa efa fantany izay ho ataony.)

7Ary Filipo namaly Azy hoe: “Na dia mofo roanjato dinaria aza tsy ho ampy ho an’ny tsirairay na dia kely avy aza.” 8Iray tamin’ireo mpianatra, Andrea, rahalahin’i Simona Petera, nilaza tamin’i Jesosy hoe: 9“Misy lehilahy iray eto manana mofo dimy sy hazandrano roa, fa inona ireo manoloana ireto olona maro?”

10Ary Jesosy nilaza hoe: “Asaivo mipetraka ny olona” (Ary feno ahitra teo amin’ilay toerana.) Ka dia nipetraka ireo olona, teo amin’ny dimy arivo teo ny isany. 11Avy eo Jesosy naka ireo mofo ka rehefa avy nisaotra, dia nizara izany tamin’ireo izay nipetraka teo. Tahaka izany ihany koa no nataony tamin’ny hazandrano, maro araka izay nilain’izy ireo. 12Rehefa voky ny olona, dia hoy Izy tamin’ireo mpianany hoe: “Angony ireo sombintsombiny tavela, mba tsy hisy ho very.”

13Ka dia nangonin’izy ireo izany ka nahafeno harona roa ambin’ny folo ny sombintsombina mofo dimy sisa navelan’ireo nihinana. 14Avy eo, rehefa nahita izany famantarana nataony izany ny olona, dia hoy izy ireo hoe: “Ity tokoa ilay mpaminany izay tonga ho ety amin’izao tontolo izao.” 15Rehefa hitan’i Jesosy fa ho avy izy ireo haka Azy sy hanandratra Azy an-keriny ho mpanjaka, dia niverina teny an-tendrimbohitra irery indray Izy.

16Rehefa ariva ny andro, dia nidina teny amin’ny ranomasina ireo mpianany. 17Nankao anaty sambokely izy ireo, ka niampita ny ranomasina ho any Kapernaomy. Efa maizina tamin’izay, ary Jesosy mbola tsy tonga teo amin’izy ireo ihany. 18Nisy rivotra nitsoka mafy, ary niha-nahery ny ranomasina.

19Rehefa nivoy teo amin’ny dimy amby roapolo na telopolo stadio teo izy ireo, dia nahita an’i Jesosy nandeha teo amin’ny ranomasina ary nanakaiky ny sambokely, ka dia natahotra izy ireo. 20Fa hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Izao ihany ity! Aza matahotra.” 21Avy eo dia vonona ny handray Azy tao amin’ilay sambokely izy ireo, ary teo no eo dia tonga teny amin’ilay toerana alehan’izy ireo ilay sambokely.

22Ny ampitso, hitan’ireo vahoaka izay nitsangana teny ampitan’ny ranomasina fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy ilay iray ihany, ary Jesosy tsy niditra tao niaraka tamin’ireo mpianany fa nandeha irery ireo mpianany. 23Kanefa, nisy sambokely maromaro avy any Tiberiasy teo akaikin’ilay toerana izay nihinanan’izy ireo ny mofo rehefa avy nisaotra ny Tompo.

24Rehefa hitan’ny vahoaka fa tsy teo na Jesosy na ireo mpianany, dia niditra tao anaty sambokely izy ireo ary nakeny Kapernaomy hitady an’i Jesosy. 25Rehefa hitan’izy ireo teny ampitan’ny renirano Izy, dia hoy izy ireo taminy hoe: “Raby, oviana Ianao no tonga teto?”

26Jesosy namaly azy ireo, nanao hoe: “Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa mitady Ahy ianareo, tsy nohon’ ny nahitanareo famantarana, fa nohon’ny nihinanareo ny mofo ka voky. 27Aza miasa ho an’ny hanina mety levona, fa miasà ho an’ny hanina izay maharitra ho an’ny fiainana mandrakizay izay homen’ny Zanak’Olona anareo, satria Andriamanitra Ray no nanisy tombo-kase taminy.”

28Avy eo dia hoy izy ireo taminy hoe: “Inona no tsy maintsy hataonay, mba hanaovanay ireo asan’ Andriamanitra?” 29Jesosy namaly ka nanao tamin’izy ireo hoe: “Izao no asan’Andriamanitra: dia ny hinoanareo ilay iray izay nirahiny.”

30Ka hoy izy ireo taminy hoe: “Inona ary no famantarana ho ataoano, mba hahitanay sy hinoanay anao? Inona no ho ataonao? 31Ny raibenay nihinana ny mana tany an’efitra, araky ny voasoratra hoe: ‘Nomeny mofo avy any an-danitra izy ireo hoanina.‘‘’

32Avy eo Jesosy namaly azy ireo hoe: “Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra. 33Satria ny mofon’Andriamanitra dia ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’izao tontolo izao.‘’ 34Ka hoy izy ireo taminy hoe: ‘’Tompoko, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.‘’

35Dia hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Izaho no mofon’ny fiainana; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta intsony. 36Kanefa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino. 37Ny rehetra izay omen’ny Raiko Ahy dia hanatona Ahy, ary izay manatona Ahy dia tsy mba ho ariako.

38Fa nidina avy any an-danitra aho, tsy mba hanao ny sitrapoko manokana, fa ny sitrapon’Izy izay naniraka Ahy. 39Ary izao no sitrapon’Izy izay naniraka Ahy, dia ny tsy hanariako izay rehetra nomeny Ahy, fa hanangana azy ireo amin’ny andro farany. 40Satria izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny mba hahazoan’ny rehetra izay mahita ny Zanaka sy mino Azy ny fiainana mandrakizay ary ho hatsangako amin’ny andro farany izy.

41Avy eo nimonomonona momba Azy ireo Jiosy satria Izy nilaza hoe: “Izaho no mofo nidina avy any an-danitra.‘’ 42Ary hoy izy ireo hoe: “Tsy ilay Jesosy zanak’i Josefa ve io, izay fantatsika ny ray aman-dreniny? Ahoana ary no ilazany hoe: ‘Nidina avy any an-danitra Aho’?”

43Jesosy namaly ka nanao tamin’izy ireo hoe: “Ajanony ny fimonomononana eo anivonareo. 44Tsy misy olona afaka manatona Ahy raha tsy ny Ray izay naniraka Ahy no mitaona azy, ary ho hatsangako izy amin’ny andro farany. 45Izany dia voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpaminany hoe: ‘Hampianarin’Andriamanitra izy rehetra.’ Izay rehetra nandre sy nianatra tamin’ny Ray no manatona Ahy.

46Tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra, izy no nahita ny Ray. 47Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa izay mino no manana fiainana mandrakizay.

48Izaho no mofon’ny fiainana. 49Ny Raibenareo nihinana ny mana tany an’efitra, ary maty izy ireo.

50Ity no mofo nidina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana amin’izany. 51Izaho no mofo velona nidina avy any an-danitra. Raha misy olona mihinana amin’ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy. Ny mofo izay homeko no nofoko ho an’ny fiainan’izao tontolo izao.‘’

52Niha-tezitra ireo Jiosy ka nanomboka niady hevitra, nanao hoe: “Ahoana no afahan’io lehilahy io manome antsika ny nofony hoanina?‘’ Ary hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: 53“Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’Olona ianareo sy misotro ny ràny, dia tsy hanana fiainana ao aminareo.

54Na iza na iza mihinana ny nofoko sy misotro ny ràko dia manana fiainana mandrakizay, ary hatsangako izy amin’ny andro farany. 55Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny ràko no tena fisotro. 56Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny ràko no mitoetra ao Amiko, ary Izaho ao aminy.

57Tahaka ny nanirahan’ny Ray velona Ahy, sy tahaka ny hivelomako nohon’ny Ray, izay mihinana Ahy, dia ho velona ihany koa nohon’ny Amiko. 58Ity ilay mofo nidina avy any an-danitra, tsy tahaka ny Raibe nihinana ka maty. Izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay.” 59Fa Jesosy nilaza ireo zavatra ireo tao amin’ny synagoga rehefa nampianatra tao Kapernaomy Izy.

60Ary maro tamin’ireo mpianany izay nandre izany no nilaza hoe: “Fampianarana sarotra izany; iza no afaka anaiky izany?‘’ 61Jesosy, noho Izy nahalala tao aminy fa nimonomonona tamin’izany ireo mpianany, nilaza azy ireo hoe: ‘’Manafitohina anareo ve izany?

62Koa ahoana raha tokony hahita ny Zanak’Olona miakatra any amin’ny nitoerany taloha ianareo? 63Ny Fanahy no manome fiainana; ny nofo tsy ahazoana na inona na inona. Ireo teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy, ary fiainana ireo.

64Mbola misy sasany aminareo tsy mino.” Fa Jesosy efa nahalala hatramin’ny voalohany izay tsy hino sy izay hamadika Azy. 65Hoy Izy hoe: ‘’Noho izany no nilazaiko taminareo fa tsy misy olona afaka manatona Ahy raha tsy nomen’ny Ray Azy izany.”

66Noho izany, maro tamin’ireo mpianany no lasa ary tsy niara-dia taminy intsony. 67Dia hoy Jesosy tamin’ireo roa ambin’ny folo hoe: “Tsy te-andeha koa ve ianareo, sa tsia?‘’ 68Ary Simona Petera namaly Azy hoe: ‘’Tompo, ho any amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay, 69ary nino izahay ka manatona mba hahalala fa Ianao no ilay Masin’Andriamanitra.”

70Hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: ‘’Tsy Izaho ve no nifidy anareo, roa ambin’ny folo, ary ny iray aminareo dia devoly?” Ary Jodasy zanak’i Simona Iskariota no resahany, satria izy, ilay iray amin’izy roa ambin’ny folo, izay hamadika an’i Jesosy.

71

Copyright information for PltULB